Taranja mekanika : Miisa dimy ny rallye hifaninanana amin’ny taona 2026

Feno ny fandaharam-potoanan’ny Federation sport automobile malagasy (FSAM) ho an’ny taom-pifaninanana 2026. Dimy ny isan’ny rallye hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, raha miisa 7 ny eo amin’ny Karting. Ankoatra izay, eo koa ny “course de côte” sy ny Slalom.

Nivoaka ny fandaharam-potoana ho an’ny Fe­de­ration sport automobile malagasy (FSAM), ho an’ny taom-pilalaovana 2026. Miisa dimy ny rallye hifaninanana amin’ity. Hanomboka izany ny Rallye karakarain’ny klioba FMMSAM, hatao ny 29 sy 30 mai ho avy izao. Ha­naraka azy ny an’ny Asacm, hotanterahina ny 19 ka hatramin’ny 21 jona. Any amin’ny volana aogositra indray ny rallye karakarain’ny GO Jang ka any Mahajanga ny hanaovana azy, ny 13 sy 14 ary ny 15 aogositra. Ny 3 sy 4 oktobra ny an’ny Asa Tana ary hamarana izany ny hataon’ny Federasionina (FSAM). Ho­tontosaina ny 23 ka hatramin’ny 25 oktobra izany. Ankoatra izay, misy 7 ny isan’ny fihaonana eo amin’ny Karting. Efa nisantatra izany ny an’ny SRK, natao ny alahady lasa teo. Ny 5 jolay ny dingana manaraka sahanin’ny SRK hatrany. Ny 30 aogositra ny an’ny TFM ary ny 12 sy 13 septambra kosa ny manaraka ka iray amin’ny Run Mada na MSA na SRK no hikarakara an’io. Ny 11 oktobra ary ny 22 novambra hisy ny Karting Trophées. Samy hataon’ny klioba SRK avokoa ireo hetsika roa ireo. Hamarana azy ny an’ny FMMSAM, hatao ny 13 desambra.
Miisa 4 ny Slalom dia ny an’ny MSA, ny 6 sy 7 jona, arahin’ny Tac’s, ny 25 sy 26 jolay. Avy eo ny FMMSAM, ny 19 sy 20 septambra. Hama­rana azy ny an’ny ACCT, ny 7 sy 8 novambra. Eo koa ny Run izay misy dimy sy ny “course de côte” ka iray natao tamin’ny tany, izay efa tontosa ny 11 sy 12 avrily lasa teo. Efatra kosa ho tontosaina amin’ny “asphalte”. Mitotaly efatra ny Slalom, hatao amin’ny tany. Misy ihany koa ny Run sy ny Esport. Raha voahaja avokoa ny fandaharam-potoana, hatao ny 20 febroary 2027 ny fizarana ny amboara ho an’ireo tompondakan’i Madagasikara 2026.

Tompondaka

Partager sur: