Kolosaina sy tarazo: Lasa olon’ny finoana ny Malagasy ?

Manana ny maha izy azy, hono, ny Malagasy. Ilay na ireo maha izy azy, anefa, efa voazarazara ka zary manasongadina ny tsy azy. Miteraka fifandirana, fisarantsarahana, ady tsy mety tapitra…

Iray amin’ireo mampiavaka ny Malagasy ny maha olon’ny fahalalana azy. An-tapitrisa taona no niainany ny tranga iray. Nisintonany fahalalana izany, avy eo. Tsy mba nanana toerana na fitaovana, sns, hoenti-manao fanandramana ny Malagasy fa ny an­davanandrom-piainana mihitsy no nametraka ny fahalalana tao aminy.
Rehefa niditra ireo karazam-pivavahana isan-karazany. Nitrebona avy any amin-java-tsy fantany sy tsy ananany fahalalana, ny atao hoe «finoana». Nanomboka teo, lasa olon’ny finoana ny Ma­lagasy? Eny, satria, izy indray no nahay lavitra noho ny tena tompony. Izy indray no saro-piaro fatratra amin’ny finoan’ny hafa, sns.
Naka ny toeran’ny kolosaina sy tarazo io tsemboka alohan’ny mievoka io. Mivolon-ko tompony amin-javatra tsy hay… Nanana fahasahiana nametaveta, nanaratsy, nanosi-potaka, nanivaiva, nanao tsinontsinona ny an’ny tena. Niha potika sy rava tsikelikely ireo fahalalana nananan’ny Malagasy.
… Ilay Zanahary an-tampon’ ny loha, lasa nisidina any amin’ ny toeran-tsy fantatra. Ny fanorona, ny raokandro, ny rano ankararana, ny vakana, sns, nohalavirina tahaka ny fasam-bao fa ireo nentin’ny vahiny, hono, no izy. Ireny indray no nambara fa «masina». Ireo va­hiny sy ny forongo nentiny aza, anefa, tsy mahalala akory ny hevitra sy dikan’ny «hasina».
… Mila fanitsiana goavana ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Miainga any amin’ny ankohonana, mipaka hatrany amin’ny firenena iray manontolo.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: