TARATRY ny KANTO

Nidina nijery ireo harembakoka any Itasy ny tale jeneralin’ny kolontsaina, Théo Rakotovao, sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay voakasik’izany. Momba ny fitantanana mahomby ireo harembakoka mahasarika mpizahatany toy ny geysers sy ny riandrano Lily no anton-dian’ny delegasionina, nifanatona tamin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratonga, any an-toerana. Niara-nidinika tamin’ireo mpisehatra rehetra ihany koa, nijery paikady iombonana izy ireo.

Mitohy ny fampirantiana ireo tahiry mahakasika ny «13 mey 1972», ao amin’ny Trano Sary Ambohidahy. Tahirin-tsary ao amin’ny Tranombokim-pirenena ireo, izay mirakitra ny tantaram-pirenena tsy azo kosehina. Hanentanana ireo tanora tsy niaina ny vanim-potoan’ny krizy 72, indrindra ireo mpianatra liana amin’ny tantaran’i Mada­gasikara, ny fitsidihana ny fampirantiana.

Hisy ny velakevitra iompanana
amin’ny «Trano fonenana Tanôsy» , hoentin-dRandrianasolo François, antropôlôgy, anio amin’ny 2 ora sy sasany, any amin’ny Mozea Fort-Flacourt, Taolagnaro. Anatin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea izany, ka hamakafakana ireo karazany, heviny ary kolontsaina fonosin’ny toeram-ponenana any amin’ny Tanôsy.

« Kanto Miampita 2 », hatao anio amin’ny 8 ora, eny amin’ny CCI Ivato, ity fiarahana hafakely, hamerenana an-tsehatra ireo hiran’ny Les Surfs ity. Mpanakanto manan-talenta toa an’i Nanie, Mahery, Inah ary i Mbola Talenta no hamelona izany. Miampy ireo hira malagasy sasantsasany nanamarika ny taona 60, 70 Ary 80 io ha­tao io.

Partager sur: