Fikaroham-bahaolana : Raikitra ny fikaonandohan’ny FFKM

Hanomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao ny fikaonandoha hotarihin’ny eo anivon’ny FFKM. Lohahevitra maromaro no anisan’ny hodinihina amin’izany.
Nanentana ny rehetra, araka izany, ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ho avy hanatrika sy hanotrona ny fanokafana ilay fihaonambe sy fikaonandoha hotarihin’ireo filoham-piangonana. Hotante­rahina eny amin’ny FJKM An­kadikely ny fotoam-pivavahana fanokafana, ny 19 mey, amin’ny 10 ora maraina.
Hatao eny amin’ny Foibe Fofikri Ilafy kosa ny fikaonandoha, aorian’izany fotoam-panokafana izany. «Anisan’ny hodinihina mandritra ny telo andro ny fiainana anatin’ny FFKM. Eo koa anefa ary anisan’ny zava-dehibe ny handinihina ny fiainam-pirenenaa amin’ny maha mpitily sy mpaminany ny fiangonana eo anivon’ny firenena », hoy ny filohan’ny Anglikanina (EEM) sady mitondra ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona.
Faha-3 jona

Anisan’ny handray anjara amin’izany ireo solontenan’ny fiangonana efa-tonta amin’ireo faritany FFKM sy ireo rantsa-mangaika manerana ny Nosy.
Hotanterahina ny 18 mey, mialoha ny fotoam-panokafana kosa anefa ny fivorian’ny Komity foibe, arahin’ny fanomanana ireo solontenam-piangonana hiatrika ny fikaonandoha.
Tsiahivina fa anisan’ny an­tony nanemorana ny fa­nom­bohan’ny fikaonandoham-pirenena, araka ny nambaran’ny minisitra misahana ny Fana­vaozana, ny Me Ra­zafima­nantsoa Hanitra, ho amin’ny 3 jona izao firosoan’ny FFKM amin’ny fikaonandoha eo anivon’ny fiangonana izao.

Synèse R.

Partager sur: