Toy ny tany Kenya, manamafy ny filoha, ny Kly Randrianirina Michaël, fa tsy mivaona amin’ny fifanekena natao ny mpitondra. Manaraka ny zotra mankany amin’ny fanavaozana izahay, hoy izy.
“Izay noresahinay tany am-boalohany nandraisana ny fitondrana ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara no lalana arahinay amin’izao. Tsy mivaona amin’izay”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fametrahana fitaovana fanadiovan-drano vaovao eny amin’ny foiben’ny Jirama, Mandroseza, omaly, nanamarihana ny faha-50 taonan’ny Jirama. Telo lehibe no tena raisina amin’ny fanavaozana. Voalohany, ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena, hirosoana amin’ny fanovan-drafitra. Faharoa, ny fitantanana ny zotram-pifidianana. Efa manomboka ny asany ny Ceni vaovao amin’izao. Nahavita fianianana izy ireo tamin’ny herinandro, ary efa manomboka mifantoka amin’ny fanomanana fifidianana. Ny ankoatra izay, miankina amin’ny fikaonandoham-pirenena no manapaka azy. Fahatelo, ny famaliana ny hetahetan’ny vahoaka. Ny filan’ny vahoaka izay maika indrindra izany. Satria ny roa taona tsy ampy hanaovana zavatra betsaka. Ao anatin’izay ny momba ny famatsian-jiro sy rano. Anisan’ny noresahiny tany am-boalohany, ny hoe: ezahina vahana aloha ny jiro amin’ny fohy ezaka, hampihena ny delestazy. Efa izy angamba izao hita izao. Ny lavitra ezaka: ny fanafoanana ny delestazy.
Noteneniny tamin’izay koa fa eo amin’ny enim-bolana dia mety mivaha ny ankamaroan’ny olan’ny famatsian-drano. Izay ny ezaka natao. Ny tsirairay no mitsara hoe: manao ve ny fanjakana sa araka ny tenin’ny sasany hoe tsy manao? Zava-bitan’ny governemanta hanampiana ny vahoaka malagasy ny fametrahana fitaovana vaovao. Tsy mahavaha azy tanteraka io, fa mbola misy rano 100 000 m3 no tadiavina. Ezahina hovahana ao anatin’ny efa-bolana izay, araka ny tenin’ny avy amin’ny Banky iraisam-pirenena.
R. Nd.




