Efa tafita any amin’ny dingana manaraka ny tongotra ilan’ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Fosa Juniors Fc Boeny, omaly, tao amin’ny kianja Rabemananjara Mahajanga.
Fihaonana izay tafiditra anatin’ny lalao mandroson’ny ampahefa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL). Raha hiverenana ny fihaonana teny an-toerana, nanindry tanteraka tamin’ity fifanandrinana ity, ry zareo mpilalaon’i Vakinankaratra. Nanokatra ny isa teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, i Tendry, lohalaharan’ny Disciples Fc, ny minitra faha-7 sy ny faha-13 minitra. Io isa 2 no ho 0 io nentin’ny roa tonta niala sasatra, nitarika ny Disciples Fc, na dia niezaka nanohitra aza ry Lando sy Derrick, mpilalaon’ny Fosa. Tao anatin’ny fidirana faharoa, nitohy hatrany ny fanafihana totoafo nataon’ny mpilalao nentin-dRazafindrakoto Mamisoa, mpanazatra Disciples Fc. Ny minitra faha-54, niova ho 3 no ho 0, ny isa teny amin’ny solaitrabe rehefa namono baolina indray i Tendry. Tany amin’ny faha-92 minitra, nampian’i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples indray ny isa, ka lasa 4 no ho 0, ny fiafaran’ny fihaonana, nandresy ny Disciples Fc. Ankoatra izay, nizotra tsara am-pilaminana ny fihaonana tany an-toerana. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao ny sabotsy 23 mey ho avy izao, any Antsirabe ny fifandonana miverina eo amin’ity klioba samy sangany eto Madagasikara ity.
Fitia Randria
Ireo vokatra hafa : As Ste Anne (1) – (2) Ajesaia Fc Rouge (1) – (0) Elgeco Plus CFFA (2) – (2) Cosfa




