FANTINA sy FINTINA

Nohamafisin’ny filohan’ny FFKM, Mgr Ranarivelo, fa tsy fikaonandoha akory ilay hotanterahin’izy ireo manomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao. «Fanomanana no ataon’ny fiangonana amin’izao fotoana io», hoy izy. Notsiahiviny fa tsy nandray anjara tamin’ireo fikaonandoha rehetra natao ny FFKM na efa nomena ny “mandat” aza.

Firenena laika i Madagasikara ka tsy manaraka finoana, araka ny nambaran’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, omaly, raha nandray ny solontenan’ireo mpino silamo hanao fivahinianana Masina any La Mècque. «Mametraka ny finoana rehetra ho fanoitra entina miady amin’ny fahantrana ka hifanampy amin’ny fanjakana isika», hoy izy.

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, fa mbola mandalo fotoan-tsarotra ny firenena na nisy aza ny hetsika fanovana ny septambra 2025. «Mbola miaina anaty fahantrana ny 80 isan-jaton’ny Malagasy. Hampivoatra an’i Betafo isika ka hametraka ho laharam-pahamehana ny famaliana ny hetahetan’ny mponina», hoy izy tao Betafo, omaly.

Partager sur: