Hatao ny 30 sy 31 mey ho avy izao, eny amin’ny Vondron-tafika Helikoptera Ivato, ny hetsika goavana manodidina ny tontolo ana habakabaka, “Aero Expo 2026”. Andiany faharoa ity hetsika ity, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-65 taona niorenan’ny Tafika ana habakabaka malagasy. Anisan’ny mpiara-miombon’antoka manohana azy manokana ny orinasa Yas Madagasikara.
Nambaran’ny général de brigade aérienne Rabemizana Toky fa maro ny fandaharam-potoana mandritra ireo fotoana ireo. Natao ho an’ny besinimaro, ahafahana manao sidina ana habakabaka eny ambony fiaramanidina manodidina ny faritry ny seranam-piaramanidina Ivato izany. Eo koa ny fampisehoana miavaka amin’ny sidina ana habakabaka ataon’ny manam-pahaizana manokana. Fampahalalana ny asan’ny mpiantsehatra ana habakabaka, ny fikirakirana ny « drônes », sns. Mandray anjara avokoa ny mpiantsehatra samihafa amin’ny tontolo ana habakabaka, toy ny sekoly mampiofana, ny mpikarakara fiaramanidina, ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fifamoivoizana ana habakabaka, sns.
Alim-pandihizana miavaka
Hisy ny fifaninanana ho an’ny vehivavy tsara bika, ny mpanamory fiaramanidina, ny mpian-danitra, sns. Hita eny an-toerana ny fanentanana sy fanafanana lanonana ary fialamboly maro samihafa. Misy ny vidim-pidirana 5 000 Ar isan’olona, fa maimaimpoana kosa ho an’ny ankizy latsaky ny 10 taona. Ho faranana amin’ny alim-pandihizana ny hetsika, eny amin’ny CCI Ivato.
Njaka A.




