Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny depiote Rafidimanana Narson. Nitodika manokana amin’ny fahefana mpanatanteraka ny tenany amin’izao fandinihana ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana izao. « Tsy tokony hanadino na hivaona amin’ireo fitakiana teny an-kianja isika. Aoka hatao laharam-pahamehana amin’ny tetibola ny mahamaika ny vahoaka », hoy izy. Nohitsiny fa hitsangana izy ireo ary vonona ny hanitsy izany raha tsy mizotra amin’ny famaliana ny hetahetam-bahoaka izany tetibola izany. Nanteriny koa fa tsy tokony hijanona eo ambony latabatra fotsiny ireo mpikamban’ny governemanta. « Ilaina ny fidinanareo eny ifotony ahitana ny tena zava-misy marina fa tena sahirana sy mahantra ny vahoaka », hoy ihany izy. Notsiahiviny tamin’izany fa tokony hampifanarahina amin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’izao fotoam-pivoriana izao ny lafiny tsy fandriampahalemana, ny olan’ny jiro sy ny rano. Ny momba ny fahasalamana sy ny olan’ny fanabeazana ary ny fampianarana ihany koa.
Tokony hiompana amin’ny famaliana izany rehetra izany ny tetibolam-panjakana, hasiam-panitsiana ety amin’ny Antenimierampirenena mba hipetrahan’ny fitoniana maharitra, araka ny nambarany hatrany. « Hitohy hatrany ny fitakiana sy fitokonana etsy sy eroa raha tsy voadinika tsara io tetibola io. Aoka handinika tsara ny fahefana mpanatanteraka manoloana izany rehetra izany », hoy ihany izy.
Synèse R.




