FANTINA sy FINTINA

Handinika ny raharaham-pirenena koa ireo taranaky ny andriana, avy amin’ny faritra samihafa. Manatanteraka fikaonandoha eto Antananarivo izy ireo, amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa mivondrona anivon’ny « Fédération des communautés royales traditionnelles coutumières culturelles de Madagascar – FCRTM » izy ireo.
Miantso ny Tafika ho tony amin’ny andraikitra sahanina mandrakariva eto amin’ny firenena ny lehiben’ny Etamazaoro, ny Jly Pikulas Demosthène. Namba­rany tao Manjakandriana fa andraikitry ny Tafika ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena sy ny fandraisana anjara amin’ny filaminana. « Anjaran’ny mpanao politika ny ankoatra izay », hoy izy.
Efa nesorina ny zo tsy azo anenjehina ny depiote Raholdina Naivo, araka ny nambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny. Nanteriny fa anjaran’ny fitsarana sisa ny manohy ny raharaha momba io solombavambahoaka io. « Tsy midika ho valifaty politika ny fampiharana ny lalàna », hoy ihany izy.
Mankasitraka ny ezaka sy ny andraikitra raisin’ny FFKM ny filoha nasionalin’ny antoko, RDS, Andrianirina Fetison. « Tsy mora ny mampiray hevitra sy mampandray anjara ny rehetra. Ilaina anefa izany raha tena mikendry fanavaozana ho an’ny Malagasy rehetra. Tsy tokony hampisaraka fa hifampatoky », hoy izy.

Partager sur: