Kolonely Randrianirina Michaël : “Izao vao tena hanomboka ny fanavaozana”

Niatrika ny fanompoam-pivavahana ho fanomanana ny fiatrehan’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena, natao teny Ankadikely Ilafy, ny filohan’ny Fanavaozana. Nambarany nandritra izany fa izao vao tena hanomboka ny fanavaozana.

“Mila fanavaozana tena izy isika, ary izao vao tena ha­nomboka izany”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny FJKM Anka­dikely Ilafy, omaly. Fotoana nanombohana tamin’ny fa­nompoam-pivavahana ny fi­kaonandohan’ny komity faha-47 sy fiomanana amin’ny fiatrehan’ny FFKM ny fikaonandoham-pirenena hanomboka amin’ny 3 jona. Zavatra telo no ataon’ny fitondrana: famaliana ny hetahetan’ny vahoaka ny amin’ny jiro sy rano, ny vidim-piainana, sns. Eo koa ny fikarakarana fifidianana, ny fanavaozana amin’ny fikaonandoham-pirenena tarihin’ny FFKM no tena zava-dehibe. Tsy vitan’ny fitondrana irery izay matoa niantso ny FFKM hitarika. Tsy ho vita ny fanavaozana raha tsy isam-bolana. Matoky ny fiangonana ny fitondrana matoa nisafidy azy. Nanolotra vola 150 tapitrisa Ar hikarakarana ny fikaonandohan’ny FFKM izy.
“Zava-dehibe ny fikaonandoha ka tsy tokony hatao ambanin-javatra fa lalana ho amin’ny fanavaozana”, hoy ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Tsy homena endrika politika hatrany izay atao, fa lalana marina inoana fa hitondra ho amin’ny tena fiovana: fiovan’ny olombelona sy ny fiangonana, fanarenana ny lalana, fahaterahana indray ho an’ny firenena. Midika ho fananganana ny fomba fanao ny fananganana ny firenena. Fananganana fifampitokisana eo amin’ny mpitarika sy ny olom-pirenena izany. Eo amin’ny olombelona sy ny hasiny, hanangana indray ny rafitra efa lo. Manampy izany ny firaisankina sy vahaolana maharitra ho an’ny taranaka hoavy. Tsy azo tanterahina sy tsy ho tanteraka izany, raha tsy manana fanetren-tena sy fahamarinana ary herim-po hanatanteraka sy hijoro amin’ireo dingana samihafa.

R. Nd.

Partager sur: