TARATRY ny KANTO

Tsy ara-dalàna ny fanapariahana sy fandefasana sanganasa, sary, feo votoatiny ara-kanto, namboarina na novaina tamin’ny alalan’ny « intelligence artificielle ». Io ny votoatin’ny taratasy nalefan’ny Ofi­sim-­pirenena misahana ny zon’ny mpamorona na Omda, tamin’ireo talen’ny haino aman-jery rehetra. Fampahafantarana miharo fandrarana izy ity, satria tsikaritra fa misy haino aman-jery mandefa ireo hira na rakitsary efa novaina tamin’ny « IA ».
« Our Generation 2026 », efa misokatra ny fisoratana anarana. Fifaninanan-kira ho an’ireo ankizy 9 hatramin’ny 16 taona izy ity. Mila manana hira manokana miisa 2, izay hanaovana horonantsary 2 mn sy 30 s ireo te hifaninana. Alefa any amin’ny Real Tv, izay mpikarakara, izany. Tsiahivina fa hiatrika ny fifaninanana any Russie izay tafakatra amin’ny fifanintsanana.
« Madajazzcar 2026 », mampiantso ireo manana tetikasa ny mpikarakara. Tsy nisy ny tamin’ny taon-dasa noho ny toe-draharaha teto amin’ny firenena. Efa anatin’ny fanomanana ny andiany 2026 kosa izao, ka antsoina ireo manana tetikasa na maniry handray anjara amin’izany. Mety ho tetikasa vaovao manodidina ny jazz, na tarika handray anjara, sns, izany. Manana hatramin’ny 15 jolay ireo liana.
Tsy misy mamorona kalon’ny fahiny intsony? Misy fa vitsy… Misy fa tsy malaza… Misy fa tsy fantatry ny mpitia zavakanto… Tsy ny vanim-potoana « fahiny » loatra no mamaritra fa « kalon’ny fahiny » ny hira iray. Ny figadona, ny zavamaneno ampiasaina, ny feo hoenti-mihira, sns. Ireny no mitana anjara toerana lehibe. Raha izany, manomboka miha vitsy ve ny manan-talenta sy nianatra ary mahalala ny momba ny kalon’ny fahiny? Mety ho maro ihany fa ilay fahavitrihana sy finiavana no tsy ampy. Hanarenana io lesoka io, mila haseho manomboka izao ny hakanton’ny kalon’ny fahiny.

Partager sur: