Mikiakiaka anaty antso vonjy ireo olona manana toe-tena varira manoloana ny famiravirana ny ain’izy ireo. “Tena tsisy vidiny ny aina ary tsy misy hasiny ny maha olona raha ny tranga famonoana miseho sy iainanay”, hoy ny filohan’ny fikambanana varira eto Madagasikara, Soja Fulgence.
Tranga roa nisesy, tamin’ity volana ity, ny niseho tany Marovoay sy Betroka. Nandritra ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana nitranga tao amin’ny fokontany Antana’Ivony, kaominina Marotsakoho, distrikan’i Marovoay, amin’ny lalam-pirenena faha-4 no nisy famonoana mihitsy. Nambanan’ireo jiolahy antsy ireo ray aman-dreny tao an-trano izay manan-janaka mianadahy manana toe-tena varira. Maty notapahin-doha ilay ankizilahy 12 taona, raha tafandositra kosa ilay vavikely.
Ny tranga faharoa kosa dia tao amin’ny kaominina Ivaona, distrikan’i Betroka. Zazalahikely vao 8 volana monja no nalaina an-keriny. Nisy fanarahan-dia nataon’ny fokonolona tany an-toerana ka jiolahy iray atao hoe Rambo no voatifitra. Tsy mbola hita kosa ilay zaza, hatreto.
Miaina anaty tahotra sy tetibety andro aman’alina ireo olona manana toe-tena varira, indrindra any amin’ireo toerana alavitra mpitandro filaminana.
Tatiana A




