EPP sy CEG Nanisana: Mpianatra 3 900 hikirakira tablette avy amin’ny Orange

Sekoly maromaro eto Antananarivo no hisitraka fampitaovana avy amin’ny Orange Madagasikara, ao anatin’ny fandaharanasa sekoly niomerika ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Nahazo ny anjarany ny EPP sy CEG Nanisana, omaly.

Nitombo isa ny sekoly manome fanabeazana niomerika eto Mada­gasikara. Nanomboka omaly, niditra amin’ny fikirakirana fitaovana niomerika avy amin’ ny orinasa Orange Madagasi­kara ny mpianatra ao amin’ny EPP sy CEG Nanisana. Tafiditra amin’ny fandaharanasa sekoly niomerika nosantarina ny taona 2014 ny fanomezana ny fitaovana. “Misit­raka ny tohana avy amin’ny Orange ny sekolim-panjakana sy ireo toeram-pampianarana tantanin’ny fikambanana so­sialy hampihenana ny elanelana amin’ny fifehezana ny tontolo niomerika eo amin’ny ankizy sy ny tanora”, hoy ny filohan’ ny Orange solidarité Mada­gascar, Arson Benja. Tablette 50 ho an’ny CEG ary 25 ho an’ny EPP, miaraka amin’ny vidéo projecteur sy ny solosaina, no natolotra hanamorana ny fampitana fahalalana any an-dakilasy.

“Tsara kokoa ny fampitana fahalalana ary tsapa nisy fiovana. Lasa manana saina tia karokaroka ny mpianatra”, hoy ny mpampianatra iray efa nampiasa ny fitaovana niomerika. Manamora ny asa rehetra ny fitaovana azo, araka ny hevitry ny mpanabe hafa.
Iarahan’ny CREM sy ny Orange ary ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fandaharanasa. Sekoly 300 mahery, manerana ny Nosy, no mampihatra ny fanabeazana niomerika amin’izao fotoana izao ary mpampianatra an-jatony no nahazo fiofanana amin’ny fampiasana ireo fitaovana nozaraina. Mandritra ny herintaona ny fanofanana. Mitondra fivoarana ho an’ny mpianatra 400 000 ny sekoly niomerika, indrindra any ambanivohitra.
Anjaran’ny mpianatra 2 700 ao amin’ny CEG sy 1 200 ao amin’ny EPP Nanisana, manomboka omaly, ny hiditra amin’izany fampianarana izany, miaraka amin’ny tablette. Nizarana kits scolaire koa ireo mpianatra mendrika tao amin’ny EPP, nandritra ny lanonana omaly.

Vonjy

Partager sur: