Toy ny fanao isan-taona, manao fivahinianana masina na ny Hajj any La Mècque ny mpino silamo maneran-tany. Ho an’ny eto Madagasikara, samy manao izay tratry ny heriny ny antokom-pinoana na fikambanana isanisany. Anisan’ireny ny eo anivon’ny Amana group. Nandefa olona 74 mianadahy izy ireo. Maharitra dimy andro izany. Natao ho fanadiovana ny fahotana rehetra vita hatrizay. Tsy mody avy hatrany anefa ny mpitsidika fa manana iray volana latsaka kely izy ireo hijanonana any Arabie Saoudite.
Marihina fa ny taona 2009 no nahazo ny fankatoavana tamin’ny fanjakana saodianina ny Amana group. Izy no mikarakara ny dia rehetra satria, tsy manome fahazoan-dalana miditra any aminy na Visa ho an’olon-tokana izy ireo. Tsy maintsy mandalo amin’ny fikambanana tahaka itony vao manana ny herijika ho tafiditra sy manatrika ny Hajj.
Marihina fa misy karazany maro ny fikambanana silamo eto Madagasikara, saingy mivondrona ao anatin’ny FSM ny ankamaroany.
Randria




