KMF/Cnoe: “Be dia be tsy mazava momba ny fikaonandoha”

“Nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandohan’ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe. Ny fahitanay azy, mbola misy zavatra be dia be manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Mila fanazavana”.

Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ny amin’ny fikaonandohan’ny olom-pirenena. Firy andro, ohatra, ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, ahoana ny ho fandehan’ny adihevitra eny amin’ny fokontany, inona avokoa ireo lohahevitra hodinihina, miara-mi­ainga ny fokontany manerana an’i Madagasikara sa ahoana… ? Eo koa ny hoe: ny olona rehetra eo anivon’ny fokontany ve no hasaina, misy fetr’isa ve hilazana fa manankery ny fanapahan-kevitra… ? Tsy mazava izany rehetra izany. Nefa tsy maintsy omanina ny olompirenena mba hampahavitrika ny fandraisany anjara. Fifandraisana sy serasera izay. Izay no hanaovana fanaraha-maso.
Tsy tokony hapetraka ho asan’ny minisitera iray io, fa hifarimbonan’ny rehetra eo anivon’ny governemanta ma­nontolo io. Fa mipatarika ha­trany ny minisitera misahana ny Fanavaozana. Ankoatra ny tena fahamehana eo amin’ny fiainam-pirenena, io fikaonandoha io no tena iraka lehibe tontosain’ny governemanta. Aminn’ny KMF/Cnoe, io no tena asa voalohan’ny go­ver­nemanta. Rehefa manao fitsidiham-paritra ry zareo, tokony hiresaka an’izay hatrany. Ny fikaonandoha no ha­moaka ny lalàmpanorenana sy ny lalàm-pifidianana vaovao ary ny lalàna momba ny antoko politika. Farafahake­liny, izay no hivoaka amin’izany.

R. Nd.

Partager sur: