Aman’alina ny tantsaha nisitraka tohana avy amin’ny fanjakana tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », hampiakarana ny voka-bary ny hetsika.
Nankalazaina tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga, ny 22 mey, ny santa-bary, ara-pomba betsimisaraka sy bezanozano. Nitarika ny fotoana, amin’ny fanohanana ny tantsaha, ny minisitra Ramindo Gaëtan, niaraka tamin’ny mpiara-miasa aminy. Nanotrona azy ny lehiben’ny Faritra Alaotra Mangoro, Rabemananjara Elire.
Nisy koa ny fizarana kojakojam-pamokarana samihafa, ahafahan’ny tantsaha mpamboly mampitombo sy manatsara ny voka-bary. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Riz Plus », vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola. Nisy ny fitaovana fihavam-bary sarkilezy sy siny fanondrahana fanafody (pulverisateur) tany amin’ny kaominina Ambohibary, distrika Moramanga. Tsiahivina fa efa nisy ny fizarana tamin’ny janoary 2026. Nahazo masomboly vary, zezika organika, NPK, Urée ary fanafody famonoana ahidratsy ny tantsaha.
Tanjona amin’ny tetikasa « Riz Plus », ny hahazoana voka-bary hatrany amin’ny 4 t/ha, raha manodidina ny 2 t/ha hatrizay. Fomba hanatrarana izany ny fampiasana ny teknikam-pambolena Papriz, miaraka amin’ny kojakoja sy fitaovam-pamokarana manaraka ny fenitra. Tafiditra ao anatin’ny taom-pambolena 2025-2026 ity hetsiky ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fahavitan-tena ara-tsakafo ity.
Ho vahana ny olan’ny rano
Mitotaly 4 880 ny fitambaran’ny mpahazo tombontsoa ao anatin’ny distrika, ahitana kaominina 18. Mahatratra 26 750 ny any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka sy Amparafaravola. Toerana tena mamokatra vary ny any Ampasimpotsy Gara. Olana anefa ny famatsian-drano. Novatsiana fitaovana koa ny tantsaha, sady hamahana haingana ny lafiny tsy fahampian’ny rano.
Njaka Andriantefiarinesy




