Hanomboka hanao ny fakan-kevitra miainga amin’ny fokontany 192 eto Antananarivo Renivohitra, ny vovonana Antenimieran’ny tolona ho amin’ny fanavaozana (ATF) amin’ity herinandro ity. Hanao kongresy nasionaly koa ry zareo amin’ny septambra hanapahan-kevitra ny amin’izay ho lalan-kizorana amin’ny raharaham-pirenena. Tsy ekena ny hevitra efa tapaka mialoha no holaniana.
“Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra”, hoy ny filohan’ny Sendikàn’ny administratera sivily (Synad) Rakotondramanana Solofotahina Lalaina, teny Antanimena, ny faran’ny herinandro teo. Tsy tokony hisy fanilikilihana na iza na iza amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tsara avokoa ny hevitra rehetra, fa izay mahasoa sy mahatsara ny vahoaka malagasy no jerena. Tsara hampidirina amin’ny fikarakarana koa ny fiangonana hafa na ny fiangonana zandriny.
Nandray anjara tamin’ny fivoriana fisintahan’ireo minisitry ny Raharaham-bahiny eo anivon’ny SADC ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Alice N’Diaye, tao amin’ny valanjavaboahary Kruger, Mpumalanga, Afrika Atsimo, ny 22-24 mey lasa teo. Nifanakalozan-kevitra stratejika, tamin’izany, ny fiantraikan’ny disadisa ara-jeopolitika maneran-tany amin’ ny vondrona SADC: ny tsenan’ny angovo miovaova, ny tsindry ara-toekarena…




