Indray mijery

 Manohy ny asa fanamboarana ireo lalana simba, mampimenomenona eto Antananarivo, ny CUA. Voakasik’izany ny Axe Antsakaviro-Mascotte, Andra­voahangy Rotsirotsy, lalana VVS Antanimora, Iso­raka … Hitondra fahatsaran’ny fifamoivoizana sy hiantoka ny fiarovana ny mpampiasa lalana ny fahavitan’ ireo lalana ireo.
 Ho fanatsarana hatrany ny tolotra ho an’ny vahoaka sy ho fanohanana ireo ray aman-drenin’ny mpianatra, miasa andro aman’alina sy sabotsy ny ekipan’ny soram-piankohonana ao amin’ny boriborintany voalohany. Tanjona ny hanafainganana ny famoahana kopia nahaterahana ao anaty 48 ora, ho an’ireo fangatahana mahafeno fepetra.
 Ao anatin’ny tantsoroka ho fampanana asa ny tanora, ny vehivavy ary ireo renim-pianakaviana izay iantsorohan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisan­kina, tontosa ny andiany faharoa tamin’ny hetsika “Sabotsy ho an’ny fanavaozana ifotony”, ny faran’ny herinandro teo. Fiofanana momba ny fanamboarana mofomamy sy fanodinana sakay no natolotra ireo mpisitraka tamin’izany.

Partager sur: