Nanamafy ny filohan’ny fanavaozana fa atao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, izay mankaleo ny vahoaka. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fanamboaran-dalana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy.
Mitohy ny fitetezam-paritra hataon’ny filohan’ ny fanavaozana sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ifotony fanarenana ny lalam-pirenena faha-41, mampitohy an’Ikelikapona sy Fandriana izy, tamin’ny sabotsy. Tafiditra amin’ny fandaharanasa ”Marché routier à obligation de résultats” na MROR amin’ilay tetikasa PMCI, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola mitentina 54 miliara. Maharitra enim-bolana ny asa, 30 volana kosa ny fikojakojana, izay ataon’ny orinasa ECHBTP.
Nanamafy ny kolonely Randrianirina Michaël, filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika tamin’ny lahateniny fa: ”Efa leo izahay, efa leo ny vahoaka amin’ny kolikoly ». Nitodika manokana tamin’ny orinasa mpanao lalana izy. Nanome toromarika hentitra ho an’ny minisiteran’ny Asa vaventy. « Hatao petadrindrina ny anaran’ny orinasa nahazo ny fanamboaran-dalana, ny tetibola nolaniana, ny anaran’ny injenieran’ny fanaraha-maso», hoy izy.
Nasian’ny Filoha teny koa ny mahakasika ny vola mankany amin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Nivoitra fa raha 3,6% amin’ny tetibolam-panjkana izany teo aloha, nakarina ho 14,5 %.
Velatsihy
Nisongadina tamin’ny dian’ny Filoha sy ny mpanolotsaina avo tany Fandriana ny famerenan-kasina ny kolontsaina malagasy. Ankoatra ny fitsirihana sy fitokanana ny CSBII, ny lalana rarivato 40 km, mampitohy ny kaominina dimy, dia nanatrika ny fomba betsileo, Velatsihy ny delegasionina. Fomba amam-panao any an-toerana hoenti-manandratra ny soatoavina malagasy, ho fanajana ny raiamandreny sy ny vahiny manan-kaja izany. Nitarika ny fotoana ny depiote voafidy tao an-toerana, Andriamiharivolamena Zavamanitra. Ity farany izay nilaza fa natao ho fanehoana ny firaisam-po amin’ny vahoaka any an-toerana izany, ho fampitana ny hafatra: « Iray fo, iray vatsy ary iray aina ».
Marihina fa angady nananana sy vy nahitana ny fotodrafitrasa ny famatsiam-bolan’ny Fida ary nataon’ny programa Defis sy OIT
R. Nd.




