Minisiteran’ny Jono: mihitsoka ny fandehan’ ny raharaham-panjakana

Mbola mitohy ny tsy fitoviam-pijery eo amin’ny minisitry ny Jono, ny Pr Maharavo Jean sy ny sekeretra jeneraly vaovao, Ra­ve­lo­manantsoa Be-Rija. Mihi­satra ny asam-panjakana noho ny hambompo manokana. Tsy mbola mankasitraka ny fanendrena ny sekretera jeneraly ny minisitra, tsy ma­naiky ny fiaraha-miasa hatramin’izao. Manomboka ny fa­nangonan-tsonia hataony, ha­nesorana ny olona nametrahan’ny Filohan’ny Fanavao­zana ny fitokisany.
Etsy ankilan’izay, tsy ma­naiky lembenana ny mpitolona sy ny tanora nametraka ny fitondrana. Ampangain’izy ireo ho ataon’ny « Mafia » fitaovana ny minisitra sy ny mpiara-miasa aminy. Ambaran’izy ireo fa misy miaro tombontsoa manokana ny mpiasa sasany ka manao izany ho raharaham-pianakaviana. Fahavalon’ny Fanavaozana no hanasokajian’izy ireo azy. Anisan’ny nitondran’izy ireo fanamarihana manokana ny tale vitsivitsy izay mitady ny hametrahana azy mivady ho tale, na ny na­many akaiky.
Efa mizara koa ny sendikà. Misy ny efa nandray ny asany, manatanteraka ny manandrify azy. Milaza ho sarotiny amin’ny harem-pirenena izy ireo ka manao antso avo amin’ny minisitra ny mba handeferan’ny raiamandreny. Ny minisitra izay tompon-toerana ara-politika, ny sekretera jeneraly no lakilen’ny asam-panjakana.

Randria

Partager sur: