Ady amin’ny kolikoly : Mihemotra ny laharan’i Madagasikara

Nihemotra laharana valo i Madagasikara amin’ny ady amin’ny kolikoly, araka ny tatitry ny Transpa­rency international faha-31, ny fiandohan’ny herinandro teo, momba ny tondro andrefesana ny kolikoly, taona 2025. Laharana 148 amin’ny firenena 182 i Madagasikara tamin’ny 2025, amin’ny isa 25 amin’ny 100 na 25/100. Nefa tamin’ny taona 2024, 26/100 no isa azo ary laharana faha-140. Taona 2023, 25/100 ny isa tamin’ny laharana faha-145. Ny fitsirihana ny tontolon’ny etika sy ny asam-panjakana ho an’ny vahoaka no tena niompanan’ny fanadihadiana. Na izany aza, anisan’ny nitsarana ny isam-pirenena koa ny tondro amin’ny fampiharana ny demokrasia. Eo ny fahalalahan’ny olom-pirenena maneho hevitra, ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety, ny fahaleovantenan’ny fitsarana…

Amin’ny ankapobeny, 42/100 ny salanisa amin’ny ady amin’ny kolikoly maneran-tany, araka ny fanazavan’ny Transparency international. Tao anatin’ny folo toana farany no nisian’izay fihemorana be izay. Firenena 122 amin’ny 182, ohatra, no nahazo isa latsaky ny 50/100. Tsy misy afa-tsy firenena dimy sisa no nahazo isa mihoatra ny 80/100, raha 12 izany tamin’ny folo taona lasa. Anisan’ny nahatonga ny isa azon’ny isam-pirenena kosa ny nisian’ny hetsiky ny tanora GenZ tamin’ny firenena maromaro. Nampidina ny isa azo ny fidinana an-dalambe, niafara tamin’ny firodanan’ny fitondrana eo an-toerana. I Serbie, ohatra, nahazo isa 33, i Pérou 30, i Népal 34, i Madagasikara 25.

R. Nd.

Partager sur: