Atao ny 26 sy 28 mey, eto Antananarivo, ny atrikasa hanamafisana ny ady amin’ny tohitry ny mikraoba amin’ny fanafody (Ram). Mikarakara azy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (Medd), miaraka amin’ny minisitera samihafa voakasika (ny Fiompiana, Fambolena, Fampianarana ambony, Fahasalamana,…), ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola (FAO, OMS, Pnue, …). Natao hanamafisana ny fampidirana ny lafiny tontolo iainana ao anatin’ny ady amin’ny Ram ity atrikasa ity. Miseho ny fanoherana ny fanafody miady amin’ ny mikraoba, rehefa tsy mety matin’ny fanafody intsony ny bakteria, ny viriosy, ny holatra na katsentsitra. Mahatonga ny aretina ho sarotra tsaboina izany. Miparitaka any amin’ny rano ireny ary miantraika any amin’ny tontolo iainana, ny olombelona, ny biby, sns.
Drafitrasa nasionaly Ram
Nambaran’ny tomponandraikitra voalohany (Point Focal) ny Ram ao amin’ny minisitera Medd, Ramatoa Samoela Miarisoa, fa “nahafaty olona manodidina ny 12,7 tapitrisa ny Ram tamin’ny taona 2019, ka 5 400 ho an’i Madagasikara”. Karohina mandritra ny atrikasa ny paikady ho fisorohana, ny rafitra fanaraha-maso ary ny vahaolana maharitra. « Entina hanatsarana ny Drafitrasa nasionaly, sady hoentina eo anivon’ny Pnue ny soso-kevitra sy toromarika avy amin’i Madagasikara », hoy ihany Ramatoa Samoela Miarisoa.
Njaka A.




