Namoaka fanambarana ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC, i Noelison William sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin. Toherin’izy ireo marindrano ny fanapahan-kevitry ny Antenimierampirenena amin’ny hanoloana ireo solontenan’i Tsimbazaza etsy Ambohidahy.
Miketrika ny hanolo ny solontenany eo anivon’ ny HCC ny ao amin’ ny Antenimierampirenena amin’ ity anio ity, raha tsy misy ny fiovana. Nahitsy ireo mpitsara avo roa ireo nilaza fa tsy mbola misy banga etsy Ambohidahy. «Tsy ara-dalàna izany fanoloana izany. Tsy azo soloina ny mpikambana ao amin’ny HCC raha tsy misy antony mazava, toy ny fahafatesana, fialana na tsy fahafahana miasa», hoy izy ireo. Nohitsin’ireo mpitsara avo ireo fa miaro ny fahaleovantenan’ ny HCC ny Lalàmpanorenana ary mety hiteraka krizy ara-panjakana sy hanimba ny fanjakana tan-dalàna ity raharaha ity raha terena hatao ilay fanoloana.
Hentitra koa ny depiote voafidy tao Arivonimamo, Rajerison Antoine, nilaza fa vao mainka fanitsakitsahana hafa indray koa ny Lalàmpanorenana ny fanoloana ireo solontenan’ny Antenimierampirenena eo anivon’izany Andrimpanjakana izany. «Tsy mifanaraka velively amin’ny voalazan’ny Lalàmpanorenana izany. Ny HCC no hany fahefana afaka manala mpikambana eto anivon’ny Antenimierampirenana fa tsy ny Antenimierampirenana indray koa no hanala mpikambana eo anivon’ny HCC», hoy izy.
Mahaiza maka lesona amin’ny tantara
Nametra-panontaniana ity depiote ity manoloana izany. «Iza izany no hiaro sy hampanaja ny Lalàmpanorenana raha izao fihetsika izao ?», hoy izy.
Nitodika amin’ny mpitondra fanjakana ny tenany, nilaza fa firenena no resahina eto, ary ny vahoaka malagasy no tokony hotsinjovina. «Tsy ny mahamety anareo no tsy maintsy hatao fa ny mifanaraka amin’ny lalàna mba hiorenan’ny fanjakana tan-dalàna», hoy ny depiote Rajerison Antoine. Mahaiza mijery lavitra ary aza hadino ny tantara fa mety hiverina ihany indray andro any ny vokatry ny amboletra sy ny tsy fanarahan-dalàna atao ankehitriny.
Nanteriny fa ny vahoaka tsy miteny tsy midika ho tsy mahita. Mijery, mandinika ary mahalala ny zava-misy izy ireo, araka ny nambarany. «Saino mandrakariva fa misy fetra ihany ny faharetan’ny vahoaka ka tsy ampoizina ny hampitroatra azy. Mahaiza maka lesona», hoy ity depiote ity.
Synèse R.




