FANTINA sy FINTINA

Hopotsirina sy hofantarina mandritra ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ ny CCI Ivato, anio, avokoa ireo lesoka sy ny tsara ho fantatra rehetra teo anivon’ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry. Miisa valo ireo lohahevitra hodinihina, handraisan’ireo mpisehatra rehetra amin’ ny fifidianana anjara.

Norasin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice, teny Anosy, afakomaly, ny ambasadaoro vaovao an’ny Repoblikan’i Türkie hiasa eto Madagasikara, i Halime Ebru Demircan. Voaresaky ny roa tonta ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ ny sehatry ny toekarena sy ny varotra ary ny fampiasam-bola. Eo koa ny tetikasam-pampandrosoana.

Nambaran’ny filohan’ny Fikambanana silamo malagasy (FSM), i Abousoary Saïd Arsène, teny 67 Ha, omaly, tamin’ny “Eid Al-Adha”, fa mitondra hafatra sy fampihavanana ary fanompoana ho an’ny fiarahamonina ny Eid al-Adha. Miezaka ny hampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandraisan’anjara amin’ny fiainam-pirenena ny silamo.

Miantso ireo Malagasy rehetra hiala ao Kiev, Ukraine, ho fiarovana ny ain’izy ireo manoloana ny ady ifandonan’ity firenena ity amin-dry zareo Rosiani­na, ny fanjakana. Miha mahery vaika izany fifandonana izany any an-toerana.

Partager sur: