Lany amin’ny sakafo sy ny kojakoja samihafa fampiasa andavanandro ny antsasa-manilan’ny tetibolan’ny tokantrano malagasy. Midangana ny vidin’entana, kely ny vola miditra.
Mitombo hatrany ny fahasahiranan’ny tokantrano malagasy manoloana ny fiakaran’ny vidim-piainana. Araka ny antontanisa nivoaka tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Instat sy ny Banky iraisam-pirenena, maherin’ny 60% ny teti-bolan’ny isan-tokantrano ankehitriny no atokana ho an’ny sakafo. Ao anatin’ny fidangan’ny vidim-piainana, tombanana ho eo anelanelan’ny 6 sy 7% amin’ny taona 2026, mijanona ho tsindry mafy ho an’ny mponina ny fiakaran’ny vidin-tsakafo. Ity farany izay mahatratra 7 hatramin’ny 8%. Anisan’ny tena mampiakatra ny fandaniana ny fanjifana ny vary, izay foto-tsakafon’ny ankamaroan’ny mponina. Tao anatin’ny roa taona, niakatra 15% ny vidim-bary. Manampy trotraka ireo kojakoja samihafa fampiasa andavanandro toy ny menaka, savony, siramamy. Ny menaka fahandro izay nahitam-piakarana 20% tao anatin’ny roa taona. Vokany, mitombo ireo tokantrano zara raha mahavita miatrika ny fandaniana fototra. Hita taratra izany an-tanàn-dehibe satria miakatra hatrany ny vidin’entana ary tsy mifanaraka amin’ izany ny vola miditra. Ankilany, mbola ambany ny karama ho an’ny ankamaroan’ny mpiasa. Manodidina ny 250 000 Ar isam-bolana ny karama farany ambany, raha mihoatra ny 80% ny olona miasa kosa no mbola mivelona amin’ny asa tsy ara-dalàna. Noho izany, vitsy ary voafetra ny fahafaha-manao tahiry na miomana amin’ny fandaniana tampoka.
Fanamby
Antoka ahafahan’ny tokantrano mivelona ara-dalàna ny fanamafisana ny famokarana eto an-toerana sy ny famoronan’asa maharitra. Tanjona ny hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny fanafarana avy any ivelany sy ny tsindry mianjady amin’ny fahefa-mividin’ny Malagasy. Heverina fa anisan’ ny vahaolana lehibe ahafahana mampiroborobo ny toekarena sy hampihena ny fahasahiranan’ny Malagasy ny fampitomboana ny indostria sy ny fanohanana ny fikarohana enti-hanatsarana ny famokarana. Eo koa ny fananana politika mazava hanohanana sy hanomezana tantsoroka ny fandraharahana.
Henintsoa




