Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy handroso raha tsy miverina an-doharano”

“Miverina an-doharano isika, raha te handroso”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tany Ma­hajanga, nandritra ny roa andro, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Nampirisika ny mpiasam-panjakana hanao fitafy malagasy izy amin’ny fankalazana ny 26 jona. Mba havela ny “costard”. Nisy ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy ao amin’ny sampam-pianarana fanofanana mpitsabo mpanampy sy mpampivelona ao amin’ny oniversite Am­bondrona. Tamin’izany no nilazany fa hisy “campus” enina vaovao hatsangana ho an’ny mpianatra 5 000 isaky ny Faritany. Atao rarivato ny lalana mankany amin’ny oniversite sy ny ao anatiny. Teo koa ny fanolorana ordinatera 100 ho an’ny biraom-panjakana ao an-toerana. Zava-dehibe ny famerenana ny tany ho an’ny vahoaka. Mahatratra 119 ha izany ao Mahajanga, fa mbola maro ny manerana ny Nosy.
Ho tafaverina ny fama­tsian-drano ao Mahajanga. Toy ny eto Antananarivo. Mahatratra 34 000 m3 isan’ andro ny filana ao Mahajanga Renivohitra. 27 000 m3 no misy amin’izao. Mbola 7 000 m3 no tsy ampy. Hanao lavadrano ny fitondram-panjakana. Vonjimaika ihany izany fa ny tetikasa PAEP, iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena, no vahaolana maharitra. Nohamafisiny ny fampiakarana 14,5% ny tetibola ho an’ny vondrombahoakam-paritra itsin­jaram-pahefana, izay 3,6% hatramin’izay. Efa nakarina 20% ny vatsim-pianarana, fa tsy mbola hampiharina. Nakarina 51% ny fampitaovana ho an’ny mpianatry ny oniversite, fa tsy hoe mbola hakarina indray.
Farany, tsy handroso i Madagasikara raha mbola misy ny kolikoly. Tsy ho vita amin’ny majika vetivety ny fanavaozana amin’ny firenena nopotehina tao anatin’ny 16 taona.

R. Nd.

Partager sur: