Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fivarotana lavanila maitso ho an’ny faritra Diana. Tanjona ny samy hahazoan’ny rehetra tombony. Nanentana ny hanajana ny kalitaon’ny vokatra ihany koa ny “Alliance régionale pour la vanille” mba hiantohana ny fanondranana sy hampidi-bola ho an’ny mpisehatra. Hamaritra ny vidin’ny lavanila kosa ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady.
Nisitraka solosaina miisa 100 sy Wi-Fi maimaimpoana ny Oniversiten’i Mahajanga. Tanjona ny hampitoviana lenta ny tanora mpianatra amin’ny anjerimanontolo manerana ny Nosy. Tafiditra anatin’ny fampiroboroboana ny niomerika sy hanohanana ny mpianatra izany. Ankoatra ireo, nanolotra solosaina miisa 100 hafa ho an’ny STD ao an-toerana ihany koa ny minisitry ny Haitao ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra.
Miisa 527 ireo mponina misitraka rano fisotro madio ao amin’ny fokontany Mahazoarivo, kaominina Mahaly, distrikan’Amboasary atsimo. Nametrahana fotodrafitrasa, ahitana “forage”, siniben-drano 10 m³, toerana fantsakana rano na “Smart Tap” roa ary toeram-pambolena legioma, ao an-toerana. Tanjona ny hampivoarana ny fari-piainan’ny mponina.




