Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, tetsy amin’ny CIDST Tsimbazaza, ny Université d’innovation Pod (UniPod). Teny an-toerana ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny eo anivon’ny Pnud.
Toerana iray hitrandrahana sy hampivelarana ireo tetikasa sy asa fikarohana ho lasa asa iarahana amin’ny sehatra tsy miankina ny UniPod. Hahafahana mamadika ny fikarohana ho tena vokatra ihany koa. «Hatramin’izay, misy ny asa fikarohana fa tsy tena mipaka any amin’ny tena ilana azy izany», hoy ny minisitry ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina, Raharimanjato Nirina Nampoina, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa fotodrafitrasa maoderina hanohanana ny teknolojia vaovao sy ny haivao ihany koa izy io. Tanjona ny hamadihana ny hery ara-tsiansa ho lasa milina iray sy hahafahana mamorona asa sy fanovana maharitra ho an’ny firenena. «Manana anjara stratejika lehibe ho an’ny fampandrosoana ny UniPod amin’izao fotoana izao, satria tetezana iray mampifandray ny oniversite amin’ny mpikaroka sy amin’ny orinasa izay efa misehatra eto amin’ny firenena», hoy ihany izy.
«Tsy hijanona ao anaty laboratoara sy tranomboky intsony ny fikarohana fa tokony hivadika ho asa sy ho lasa startup hanatsarana ny andavanondron’ny Malagasy», hoy kosa ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny lahateniny. Nambarany fa anisan’ny fototry ny fahaleovantenam-pirenena ny fampianarana ambony, ny fikarohana ara-tsiansa ary ny fanavaozana ara-teknolojia.
Ahitana laboratoara efatra
Ahitana laboratoara efatra ao anatin’ity rafitra iray ity. Anisan’izany ny laboratoara ahafahana mamadika ny tetikasa ho zavatra mivaingana azo hoentina eo amin’ny sehatry ny asa. Eo koa ny misahana ny faharanitan-tsaina artifisialy. Manampy azy ao ny laboratoira ho an’ny sehatra maitso, toy ny tontolo iainana sy ny maro hafa. Farany dia ny laboratoara momba
ny “agroalimentaire” sy “agrifood”. Marihina fa niarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa nanatanteraka tamin’ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ary ny Pnud ny UniPod. Manodidina ny 50 isa isaky ny fidirana ireo mpianatra horaisina. Ezahina ny hanaparitaka azy manerana ny Nosy.
Mino




