TSELATRA

Ahina ho nanosika moto halatra, lehilahy iray nampiseho fihetsika hafahafa nosamborin’ny polisim-pirenena tetsy Soavimasoandro, Boriborintany fahadimy, omaly maraina. Nanosika moto scooter Jog io lehilahy io saingy niahiahy noho ny fihetsiny ireo manodidina nahita azy. Nilaza ho lany lasantsy anefa izy ka natosiny tamin’ny tanana ilay moto. Niditra an-tsehatra ny polisy.
Namoy ny ainy taorian’ny tifitra nataon’ny olon-dratsy ny raim-pianakaviana iray tao amin’ny fokontany Anivoranokely, kaominina Antsalova, afakomaly alina. Niditra an-keriny tao an-trano ireo jiolahy nitam-piadiana. Niezaka niaro ny ankohonany io lehilahy io, kanjo notifirin’ireo tsy valahara avy hatrany.
Tanàna iray levon’ny afo ao Marolambo, ny alin’ny alarobia hifoha omaly alakamisy. Tokantrano 350 tsy manan-kialofana vokatr’io haintrano mahatsiravina io. Niezaka nifehy ny afo ireo mponina saingy nanao sarotra izany noho ireo trano vita amin’ny hazo avokoa.
Nalain’ny mpaka an-keriny ny zazalahy vao 1 taona tao Ankalika, Toliara, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nodarohan’ireo tsy valahara ny rain’io zaza io ka nentina any anivon’ny hopitaly notsaboina.

Partager sur: