Sahirana ny tantsaha mpamboly orge any amin’ny distrika Manandriana, faritra Amoron’i Mania. Antony, tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany azo hambolena ity akora fototra ity, izay ilain’ny orinasa Star amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera. Mahatsapa izany ny ben’ny Tanàn’Ambatomarina, distrika Manandriana, Rianamboariny Jean Pierre. Nambarany fa mitaraina ireo tantsaha satria mihena ny fatran’ny vokatra orge raisin’ity orinasa ity, ka voatery nampihena ny velaran-tany hamboleny koa izy ireo. Nohazavainy fa nampiakarin’ny fanjakana avo loatra ny hetra alainy amin’ny zava-pisotro vokariny, araka ny voalazan’ny Star. Vokatr’izany, miha simba sy mihena ny fari-piainan’ny tantsaha mivelona amin’ny fambolena orge. Mangataka ny hijerena akaiky ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny orinasa mpandray ny orge ity ben’ny Tanàna ity.
Nohamafisiny fa tsy ny hanafoana ny hetra no takina fa ny hampifandanjana azy amin’ny zava-misy mba tsy hanimba ny rojom-pihariana, izay iankinan’ny fidiram-bolan’ny tantsaha mpamboly orge. Tsy any Ambatomarina ihany no ahitana ity tranga ity fa any amin’ireo faritra mamboly orge, indrindra any Amoron’i Mania.
Njaka A.




