famindrana fahefana amin’ny miaramila: Notsipahin’ny HCC

Namaly sy namoaka fanapahan-kevitra ny eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana ny 28 mey teo. Anisan’ny nandraisan’izy ireo fanapahana ny fitorian’ny depiote, Rajerison Antoine.
Nivoitra tamin’izany fa tsy azo raisina ny fitoriana napetrak’io solombavam­bahoa­kan’­­Arivonimamo, ny 13 mey lasa teo, io. Anisan’ny niompanan’ny fitoriana ny hampitsaharana ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, amin’ ny asany. Ny famadihana ny tanindrazana sy ny fanitsakitsahana miverimberina ny Lalàm­panorenana. Anisan’ny tafiditra tao anatin’ny fitoriana ary izao tsy azo noraisina izao koa ny amin’ny hamindrana ny fahefana amin’ny miaramila hafa ny fitondrana sy ny fitantanana ny firenena.
Nasongadin’ny fanapahan’ny HCC fa tsy mifanaraka amin’ireo fepetra raketin’ny Lalàmpanorenana ny momba ny fampitsaharana ny asan’ny filoham-panjakana. « Tsy azo raisina araka izany ny fitoriana », hoy ny eo anivon’ny HCC.
Tsiahivina fa nanao antso avo amin’ny mpitondra fanjakana ny depiote Rajerison Antoine ny amin’ny tokony hitsinjovana ny vahoaka. Nohi­tsiny fa tsy izay mampetipety ny mpitondra no tsy maintsy hatao fa mifanaraka amin’ny lalàna mba hiorenan’ny fanjakana tan-dalàna. « Mahaiza mijery lavitra ary aza hadinoina ny tantara fa mety hiverina aminareo ihany indray andro any ny vokatry ny amboletra sy ny tsy fanarahan-dalàna ataonareo ankehitriny », hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: