GetHumancall: Hanohana ny mpianatry ny EPP

Nitondra fanantenana vaovao ho an’ny Sekolim-panjakana ambaratonga fototra (EPP) ao Ambodiafontsy Am­pitatafika, ny hetsika nataon’ny GetHumanCall, amin’ny alalan’ny tetikasa Fandraisan’ an­draikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana (RSE) nataony. Mandray mpianatra miisa 288, ampianarina mpampianatra valo, ny sekoly. “Avy amina fianakaviana sahirana avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra, misy amin’izy ireo no kamboty”, hoy ny talen’ny sekoly, Andriamiarisoa Bodo­nirainy. Ny 7 mey teo, tonga teny an-toerana nitondra fanampiana ho an’ny sekoly ny GetHumancall. Fotoana nizarany sakafo ho an’ny mpianatra rehetra entiny ha­nohanany sy hampifaliana azy ireo. “Ankasitrahana tanteraka ny fanohanana toy izao hanampiana ireo mpianatra miaina anaty fahasahiranana”, hoy hatrany ny talen’ny sekoly.
“Mbola hitohy ny hetsika ara-tsosialy”, hoy ny mpanorina ny GetHumancall, Jona­than Da Costa. Nijery ny filan’ny sekoly ihany koa ny orinasa mba hanomanana sahady ny hanohizana ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’izany ny hanavaozana ny efitrano fianarana, ny fandokoana ny rindrina ary ny hananganana trano famakiam-boky. Anki­lany, nilaza ny mpanorina ny GetHumancall fa miankina amin’ny filana no hisafidianana ny sekoly. Tanjona ny hitondra fanampiana mivantana amin’ny fotodrafitrasa sy ny “cantine scolaire”. Ankehitriny, miandry ny lisitra momba ireo filana laharam-pahamehan’ny sekoly ny orinasa mba handaminany sy handrindrany sahady ny asa tokony hatao. Mikasa hanohy ny hetsika tahaka izao isam-bolana any amin’ireo sekoly eto Anta­nanarivo ny GetHumancall hanohanana ny fanabeazana eto an-toerana.

Henintsoa

Partager sur: