TSELATRA

Mpampianatra lalàna iray naiditra vonjimaika eny am-ponja, omaly, rehefa avy niakatra teny anivon’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana. Voarohihory tamin’ny resaka fisolokiana milaza fa afaka mampiditra mpiasam-panjakana eo anivon’ny minisiteran’ny Tetibola izy. Efa nahazoany vola maro ireo olona voasolokiny. Miara-miasa amin’ny tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena ny tenany.
Lehilahy iray tratra nitondra rongony milanja 6,8 kg teny amin’ny Fasan’ny karana, ny 27 mey 2026 teo. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao asa fisafoana ny tenany. Nampiahiahy ny polisy ny fihetsiny ka tsy maintsy nosavaina. Nikasa handositra izy, nifanenjehana ary voasambotra ihany. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny polisy ity farany.
Lehilahy iray nisoloky ho mpitandro filaminana voasambotry ny polisy tetsy 67 Ha, ny talata 27 mey 2026 lasa teo. Maka vola amin’ireo taxi-be mijanona amin’ny fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka, zotra B 67 Ha – Ambohitrimanjaka izy. Voarohirohy amin’ny raharaha fanendahana nitranga teo amin’io fiantsonana io ihany koa ny tenany. Nentina natao fanadihadiana eny anivon’ny Kaomisaria ilay voasambotra.
Roa lahy voasambotry ny polisy tetsy Sabotsy Namehana, tamin’ity herinandro ity. Voarohirohy tamin’ny halatra sy fidirana an-keriny tao an-tranon’olona izy ireo. Tratra tao an-tokantran’olona nefa tsy nahazo alalana izy, ny 23 mey teo. Nitory ny lasibatra ka voasambotra izy ary nanoro ny namany iray mpiara-manao asa ratsy aminy. Notazomina ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano, Sabotsy Namehana, izy roa lahy.

Partager sur: