Voatendry ho ambasadaoron’i Madagasikara any Rosia, Andriamanjato Ny Hasina, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, teny Iavoloha. Ambasadaoro any Alemana Razafimbelo Alain Manajary ary masoivohon’i Madagasikara eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), any New York, Rahajarizafy Lanto. Tsy ho voavahan’ny fitondram-panjakana ao anatin’ny valo volana ny olana efa tao […]
Mois : mai 2026
Parlemanta rezionalin’ny tanora : Hitondra ny feon’ny tanora ho amin’ny hoavy mamiratra
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimierampirenena eny Tsimbazaza, ny fivoriamben’ny Parlemanta rezionalin’ny tanora aty amin’ny ranomasimbe Indianina na ny «Parlement régional des jeunes de l’indianocéanie» (PRJIO). Nankatoavina, nandritra izany, ny tolo-pehin-kevitra roa izay novolavolain’ izy ireo mahakasika ny fiarovana ny fitaterana an-dranomasina, ny fitantanam-panjakana sy ny toekarena manga ary ny […]
Mamono tena
Mafy ny fiainana! Tsy antony hanaovana sorona ny tena anefa izany. Mahonena ny mahita ny fianakaviana nilaozana noho ny “fitiavan-tena”. Marina fa mijaly, saingy efa iarahan’ny olon-drehetra mizaka ny fahoriana. Iza no tsy mijaly ara-pitiavana fa mety manafina fotsiny. Jereo anie fa raha ny antontan’isa izao dia milaza indray fa […]
Tsy fahazoana karama: Manome 48 ora ny mpitondra ireo miaramila misotro ronono
Niaka-dapa! Nitokona teny Ampahibe, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy, avy eo nihazo an’Ambohitsorohitra ireo miaramila an-jatony, misotro ronono. Nitaky ny volany izy ireo ary nanome fe-potoana ny fitondram-panjakana. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, ny fitakiana ny volan’izy ireo, ary nanomezany fe-potoana ao anatin’ny 48 ora hamahana ny olana. Hampiakarina eto an-dRenivohitra avokoa ireo […]
Iavoloha : Vehivavy voaolana hita faty tanaty kininina
Nofatorana tamin’ny akanjo teo amin’ny tendany, naolana ary nariana tao anaty ala kininina ny tovovavy iray hita faty teny Iavoloha, kaominina Andoharanofotsy, distrikan’ Atsimondrano, afakomaly. Naharay antso avy amin’ny olona tsara sitrapo ny zandary miasa ao an-toerana, ny 19 mey teo, tamin’ny 5 ora sy sasany hariva. Misy olona tsy […]




