Nanomboka ny 11 mey hatramin’ny 28 mey ho avy izao ny fandraisana mpiasam-panjakana raikitra ampahibemaso manerana ny faritra rehetra ho an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny Fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa. Notanterahina tamin’ity herinandro ity ny fandraisana mpiasam-panjakana ampahibemaso raikitra an’ireo mpampianatra “vacataire” eo anivon’ny sekoly fampianarana teknika sy fampiofanana arakasa […]
Mois : mai 2026
Tarika Manan’Ara : Hanamarika ny faha-10 taona
Tarika manome lanja ny mozika misy fanahy. Iray tamin’ireo nisafidy ny hivoy ny mozika arahin-gitara sy ireo zavamaneno mifameno aminy ny Manan’Ara. 10 taona izay no nisian’ny tarika, ka homarihina izany. Ho fanokafana azy, hisy ny seho hotontosain’ny Manan’Ara ny zoma 22 mey izao, eny amin’ny Pho Resto Ivato. «Ho […]
Havàtsa-Upem – Atrikasa 2026: Omen-danja ny famakafakana asa soratra
Tafiditra ao anatin’ny Iray volana anandratana ny teny malagasy. Mandritra ny volana jona, isaky ny sabotsy, hanatanteraka « Atrikasa 2026 fanoratana » ny fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem. Homen-danja ny famakafakana asa soratra (essai littéraire). «Atrikasa 2026 fanoratana». Hetsika hotontosaina mandritra io volana jona io, isaky ny sabotsy, […]
Handball : Hiara-kiasa ny Federasionina sy ny Yas Madagasikara
Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Andraharo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB) sy ny Yas Madagasikara. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny Federasionina, fa 110 andro izay no nitondrany izany ary efa ela no naniriany hiaraka amin’ny Yas ka izao tafahoana izao. “Santatra izao fa irina ny hitohizany hatrany. […]
Basikety 5×5 : Mpanazatra vaovaon’ny Ankoay i Mickael Pivaud
Volana vitsy taorian’ny nialan’i John Douaglin, nanendry mpanazatra vaovao ny Federasionina malagasin’ny basikety dia i Mickael Pivaud, hisahana ny fanazarana ny Ankoay, sokajy lehilahy, eo amin’ny basikety 5×5. Nambaran’ny filohan’ny FMBB, Ramaroson Jean Michel izany, omaly, teny amin’ny foiben’ny federasionina. Manomboka amin’ny fanomanana amin’ny fifanintsanan’ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany no […]




