Hatramin’ny omaly, tsy nandrenesam-peo ny mpanazatra ny Barean’i Madagasikara sy ny Federasionina malagasy, nanoloana ireny faharesena mihoapampana sy mahamenatra ireny. Tsy misy fanazavana ny amin’ilay fanamiana sy ny tsy fahasahian’i Corentin Martins miatrika ny mpanao gazety malagasy.
Tsy takona afenina intsony ny olan’ny baolina kitra eto Madagasikara. Manaporofo izany ny zava-nisy tatsy Maroc, ny talata lasa teo. Tsy hiverenana intsony ny vokatra izay efa nampoizin’ny rehetra fa ny zavatra mamohehatra no tsy maintsy ambara.
Resabe hatramin’izao ilay fanamiana nanaovan’ny Barea. Noheverina fa aron’akanjo fotsiny, hay tena fanamian-dalao mihitsy. Ankoatra izay, tsy mbola nitovy ihany koa satria ny laharana faha-12, tsy nisy soratra “Madagasikara”. Hita fa natao ankamehana sy vonjy tavanandro izany.
Ny tena goavana dia ny fahatahoran’ny Federasionina (FMF) sy i Corentin Martins ny mpanao gazety malagasy. Hatramin’ny fanomanana, nandalo tamin’ny famoahana ny lisitra ka hatramin’iny lalao iny, tsy nandrenesam-peo ary tsy sahy niatrika mpanao gazety ny mpanazatra sy ny federasionina. Maro anefa ny fanontaniana ilam-baliny avy amin’izy ireo.
Fanaon’ny any ivelany ny famakiana ny lisitry ny ekipa nasionaly manoloana ny mpampahalala vaovao. Avy eo, mamaly fanontaniana sy mitondra fanazavana ny mpanazatra.
Ny an’ny FMF sy i Corentin Martins, novitaina teo amin’ ny tambajotran-tserasera. Tahotra sa hakanosana? Raha tsy eto an-toerana i Corentin Martins, afaka natao tamin’ny alalan’ny fifandraisana ampitain-davitra toy ny fanao mahazatra izany.
Na ny filazana ny fomba fahitany iny lalao iny aza, tsy nisy fa vitavita ho azy tamin’izao nefa ekipam-pirenena no resaka fa tsy hoe klioba. Ny federasionina moa, toy ny mahazatra, mangina. Tsy manazava mahakasika ireny tranga mampitafy henatra ny firenena ireny. Andrasana hirehitra indray ny afo vao mitady “pompier”, hamono izany angamba.
Tompondaka




