Fifaninanana ara-drariny : Antoka ho an’ny fampandrosoan’ ny indostria

Mandray anjara amin’ny fampivoarana ny toekarena ny fifaninan’ny indostria eto an-toerana. Hahafahan’ny vokatra malagasy miatrika ny fanambin’ny tsena iraisam-pirenena izany.

Nasongadin’ny mpitantana eo anivon’ny Sen­dikan’ny indostria eto Madagasikara (Sim), filoha teo aloha tao amin’ny vondrona ary filohan’ny Technopet, i Hassim Amiraly, ny Politikam-pifaninanana sy ny fampandrosoana ny toekarena. Novelabelariny ny fifandraisan’ny politikam-pifaninanana eo amin’ny sehatra nasionaly sy ny fahavononan’ny isam-paritra sy manerana an’i Afrika izay iantsorohan’i Madaga­sikara. Nisongadina nandritra ny dinika fa singa iray manan-danja amin’ny fampandrosoana ny toekarena ny fifaninanana ara-drariny. Manampy amin’ny fampitomboana ny vokatra sy fikarohana zava-baovao, misarika mpampiasa vola ary manatsara ny fahafahan’ny orinasa mifaninana izany. “Entanina ny rehetra handinika ny hoavin’ny toekarena. Ilaina ny mametraka tontolo hahafahan’ny mpisehatra rehetra mivoatra anatina lalàna iraisana sy ara-drariny, izay anisan’ny fototry ny fampandrosoana”, hoy izy. No­tsindriny manokana ihany koa ny tombontsoa sy ny fanamby ara-toekarena ho an’i Ma­dagasikara amin’ny fidirana ao anatin’ny Comesa sy ny Zlecaf.

Ara-drariny
Ilaina ny mampiroborobo ny fifaninanana ara-drariny sy voalanjalanja. Fitaovana lehibe enti-manatanteraka izany ny fanatsarana ny kalitao, ny fitondrana zava-baovao. Za­va-dehibe, hoy ny Sim, ny fanohanana ny orinasa eto Madagasikara, noho izy mi­tondra sanda fanampiny, manome asa ary mandray anjara amin’ny fampandrosoana maharitra. Tokony hampitomboina ny fahafahan’ny vokatra malagasy mifaninana mba hiatrehany ny fanambin’ny tsena iraisam-pirenena. Natao nandritra ny andro nasionaly momba ny fifaninanana nokarakarain’ny Filan­kevitry ny fifaninanana eto Madagasikara ny dinika. Hetsika natao tetsy amin’ny Novotel Alarobia, ny 2 jona teo.

Henintsoa

Partager sur: