Laharana faha-49 maneran-tany, eo amin’ny sokajy latsaky ny 78 kg, ny Malagasy mpikatroka eo amin’ny taranja Judo, Andriambololona Zo Hajanirina, manana isa 614. Io no filaharana navoakan’ny eo anivon’ny Federasionina iraisam-pirenan’ny judo (FIJ), ny 1 jona lasa teo. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara sy ny taranja judo izao satria i Zo no Malagasy faharoa tafiditra tao anatin’ny Top 50 maneran-tany, teo amin’ity taranja ity, hatreto. Ezaka maro no natao nahatongavana tamin’izao. Teo ny nahazoany misesisesy tao anatin’ny taona maro ny tompondakan’i Madagasikara ary izy no laharana voalohany eo amin’ny sokajiny, hatreto. Nivelatra teo amin’ny sehatra afrikanina izy, tena nanao ezaka nandray anjara tamina fifaninanana teto Afrika maro ary nahazo vokatra tsara. Anisan’izany ny Open sy fiadiana ny tompondakan’i Afrika, tany Pretoria, Abidjan, Dakar ary Kenya. Toraka izany ihany koa ny fandraisany anjara tamin’ny “Grand Slam de Paris 2026” ary ny fiatrehana fiofanana iraisam-pirenena tany Paris sy Toulouse. Samy nahazoan’i Zo isa avokoa ireo fifaninanana ireo ka nahatonga azy niakatra eo amin’ny laharana faha-49 maneran-tany.
Mi.Raz




