Seranan’i Toamasina: Mitohy ny disadisa ao amin’ny SMMC

Nitondra fanazavana mahakasika ny olan’ny orinasa sy ireo fifanarahana natao ary ny tombontsoa iraisan’ny mpiasa ny solontenan’ny mpiasa eo anivon’ny orinasam-panjakana “Société de manutention des marchandises conventionnelles” (SMMC) ao Toamasina. Tokony haverina, hoy izy, ireo mpiasa miisa 9 tamin’ireo 13 mianadahy noroahin’ny tale jeneraly teo aloha tsy ara-drariny. Ankehitriny, efa tafaverina ny efatra, voavaha ihany koa ny olana teo anivon’ny tale jeneraly ka nahatonga ny fitokonan’ny mpiasa teo aloha. Amin’izao, manao toetra tsy ara-drariny ireo talen’ny Sampandraharaha samihafa an’ity orinasam-panjakana ity. Te hanao tantely afa-drakotra ka sahy hampiady ny mpiasa samihafa fiaviana sy hametraka loko politika izy ireo. Te hitady tombontsoa manokana ihany koa satria akaiky ny tale jeneraly teo aloha, raha ny fanazavana voaray. Vokany, mampanahy ny zava-misy eo anivon’ny SMMC, ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mbola mitohy ny disadisa na eo aza ny fifanarahana natao. Manambana hitokona ka hitaky ny hanesorana ireo tale sasantsasany fototry ny olana ireo mpiasa.
Marihina fa miteraka fatiantoka an-tapitrisany maro ho an’ny mpandraharaha sy ny kitapombolam-panjakana ny fiatoan’ny asa ao amin’ny SMMC.

Sajo

Partager sur: