Nandefa taratasy fampahafantarana ny Federasionina maraokanina, ny baolina kitra, fa noho ny valanaretina misy any an-toerana dia foana avokoa ireo lalao ara-pirahalahiana rehetra tokony hatao any an-toerana. Tafiditra ao anatin’izany ny fihaonan’ny Barea sy i Ouganda, tokony hatao ny alatsinainy ho avy izao.
Notanterahina afakomaly, tao amin’ny Faritra Ambatosoa, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fakan-kevitra mahakasika ny Politika nasionalin’ny fanatanjahantena sy ny tanora (PNS) sy ny (PNJ). Ny prefektiora an’i Maroantsetra no nanokatra izany tany an-toerana.
Efa saika any Etazonia avokoa ny akamaroan’ireo ekipam-pirenena hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2026”. Anisan’izany i Argentine, izay tompondaka farany sy i Brésil. Tsara marihina fa ny 11 jona ho avy izao no hanaovana ny lanonam-panokafana ka ny fihaonan’i Meksika sy Afrika Atsimo no hanokatra izany.
Hankalazaina any Antsirabe, ny “Olympic Day”, ny 6 jona ho avy izao. Hisy ny hetsika izay hatao manoloana ny gara amin’io andro io. Mialoha izay, misy ny seminera ho an’ny atleta izay efa nanomboka omaly, ka mandray anjara amin’izany ny taranjam-panatanjahantena maro.




