Taranja tenisy – Billie Jean King Cup: Fantatra ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena

Afaka iray volana, hiatrika ny fifaninanana afrikanina eo amin’ny taranja tenisy, sokajy vehivavy, «Billie Jean King Cup», ho an’ny vondrona fa­hatelo i Madagasikara. Araka ny fikarohana natao, hotanterahina atsy Gaborone Botswa­na, ny 13 hatramin’ny 18 jolay ho avy izao izany. Nampafan­tarin’ny Federasionina malagasin’ny tenisy (FMT), oma­ly, tetsy Andraharo, ny anaran’ireo mpilalao efatra mirahavavy hiaro ny voninahi-pirenena amin’izany. Anisany Andriantefiha­sina Elisoa, izay milalao sy manaraka fiofanana any amin’ ny Oniversite any Etazonia. Eo ihany koa Razafinarivo Mirin­dra, izay manaraka « circuit » matihanina maro any ivelany. Manam­py ireo i Harena Voa­vian­draina, mpilalao milaravinahitra sy manaraka fanazarantena any France sy i Tsan­ta­niony Iariniaina, efa intelo tompondaka an’i Madaga­si­ka­ra.
«Henjana ilay fifaninanana, tsy mametraka tsindry amin’ny ankizy izahay. Ireo firenena mandray anjara, amin’izany koa tsy mora fa efa manana ny lanjany daholo, ohatra, i Tunisie, efa manana mpilalao sangany maneran-tany. Saingy ny tokinaina tsy maintsy eo foana”, hoy Randriantefy Dally, tale teknika nasionalin’ny Federasioni­na FMT. Ankoatra izay, hiara-kiasa mandritra ity taona vaovao ity ny FMT sy ny orinasa Yas Madagascar.

Fitia Randria

Partager sur: