Tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny Pureplay Football League (PFL), ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Ajesaia. Raha tsy misy ny fiovana farany, ny ekipan’ny Elgeco Plus, tompondaka farany teo, no hihaona amin’ny CFFA ary ny Ajesaia hifanandrina amin’ny Disciples FC Vakinankaratra.
Hotanterahina manomboka anio, etsy amin’ ny « Boulodrome Ankatso », ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, ho an’ny olon-droa miaraka. Araka ny fikarohana natao omaly, hifarana amin’ny alahady ho avy izao, ity fifaninanam-pirenena ity. Hahazo lelavola 2 tapitrisa Ariary izay voalohany amin’ny sokajy « senior », sokajy lehilahy.
Hiatrika fifaninanana AJP West Europe Barcelone, ny 7 jona izao, ny Malagasy mpikatroka Jiujitsu, i Aiky sy i Mahaisoa. Aorian’izay, hisy ihany koa ny « London Spring IBJJF », ny 14 jona izao ary ny « Grand Slam » any Portugal, ny 4 jolay izao.




