Atleta nisongadina nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, aty amin’ny faritra Atsimo, sokajy zandriny U18 sy U20, izay natao tatsy Maorisy, ny faran’ny herinandro teo, Andrianjafy Ny Aina Anna. Nahazo medaly volamena, tamin’ny hazakazaka 400 metatra misy fefy, izy. Nahazo medaly telo moa ny delegasionina malagasy tamin’ity: volamena iray, volafotsy sy alimo iray avy.
Hiady ny tapakila hiakarana amin’ny dingana manaraka ny fifanintsanana amn’ny Lalao Olympika, 2028, ny Barea Ladies, anio, any Juba, Soudan Atsimo. Hifanandrina amin’izy ireo amin’izany ny ekipa mpampiantrano, Soudan Atsimo. Tsiahivina fa nisaraka ady sahala, 1 no ho 1, ny roa tonta tany amin’ny fihaonana mandroso.
Ekipa 23 lehilahy sy 16 vehivavy no hifaninana amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy N1B, taranja basikety. Any Moramanga no hanatanterahina ity izany, ny 13 hatramin’ny 21 jona izao. Hotanterahina ny zoma 12 jona izao ny fivoriana ara-teknika.




