“Coca Cola Ultimate Yas Soccer” : Handefa an’ireo lalao rehetra amin’ny Mondial

“Mijery baolina sy manala azy”! Izay no azo ambara amin’ity hetsika “Coca Cola Ultimate Yas Soccer” ity, izay handefasana ny lalao rehetra amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany maimaimpoana, etsy amin’ny Tana Water Front Ambodivona, manomboka anio. Raha ny fanazavana azo omaly, hisy fahitalavitra lehibe eny an-toerana. Hisy koa toerana telo voatokana handefasana izany mba hahafahan’ireo Malagasy mpankafy baolina kitra miaina mivantana an’ity fifaninanana iraisam-pirenena ity mandritra ny iray volana.
Ankoatra ny fandefasana ny fihaonana amin’ny fahitalavitra, hisy ihany koa ireo karazana fanentanana maro sy fikarakarana lalao toy: ny “Quiz Mondial”,… hataon’ny mpikarakara ho an’ireo mpijery izay ho tonga eny an-toerana.
Raha ho an’ny anio, efa hisy sahady ny lalao hihaonan’i Meksika sy i Afrika Atsimo, izay ho alefa mivantana eny Ambodivona. Marihina fa amin’ny 10 ora alina, ora eto an-toerana, no hanomboka io fifanandrinana io. Ampaha­fan­tarina ihany fa hifarana ny alahady 19 jolay ho avy izao, ny fifaninanana “Mondial 2026”, izay tanterahina any Etazonia, Meksika ary Ca­nada.

Fitia Randria

Partager sur: