SOMBIM-BAOVAO

Hisongadina indray i Madagasikara eo amin’ny fitsarana basikety maneran-tany. Voatendry hitsara ny fiadiana ny amboara maneran-tany,  ho an’ny sokajy latsaky ny 17 taona,  ny Malagasy mpitsara iraisam-pirenena,  i Yann Vezo Davidson. Fifaninanana izay hatao any Turquie,  ny 27 jona hatramin’ny 5 jolay izao.

Nitsidika sy tonga nanolotra fisaorana ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Mada­gasikara,  ny ekipam-pirenena Ankoay,  vao avy niatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany « Basikety 3×3 » sy ny eo anivon’ny FMBB. Nampahafantarin’izy ireo tamin’io fotoana io ihany koa ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny « Afrobasket U18 »,  hatao ny volana aogositra izao,  any Côte d’Ivoire.

Tsy anisan’ireo Afrikanina mpitsara, hitsara ny lalao mandritra ity Mondial 2026, i Omar Artan, Somalianina, noho ny tsy fahafahany miditra amin’ny faritr’i Etazonia. Maro amin’ireo mpanao gazety afrikanina no tsy nankasitraka izany ary naneho ny heviny. Na dia teo aza izany, nisy ny fitsenana makotrokotroka nandraisan azy, rehefa nody an-tanindrazana.

Partager sur: