Napetraky ny kolonely Randrianirina Michaël, omaly, ny vato fototra ho fanombohana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Betroka. Nanome toky koa izy fa tsy maintsy ahitana mpamatsy vola ny hamitana manontolo ny eo Ihosy hatrany Ambovombe.
Mitohy ny fanarenana ny lalam-pirenena RN13. Natomboka tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny fanamboarana ny lalana mamakivaky ny tampon-tanànan’i Betroka. Mirefy 6 km ity lalana hatao godirao ity, fiaraha-miasa iarahana amin’ny tsy miankina, ny QMM, ka ny orinasa Colas no manatanteraka azy. Miainga eo amin’ny Radier, PK118, hatreo amin’ny tetezana Mangoky PK124. Araka izany, nanome toky ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa « raha mbola eto izahay, tsy maintsy ataonay izay hitadiavana vola hanamboarana io lalam-pirenena RN13 io, na ho ela na ho haingana ». Mialoha izany, nomeny toromarika ny minisiteran’ny Asa vaventy, hanamboarana ireo faritra tena ratsy, mampijaly ny vahoaka sy ny mpampiasa lalana, ka anararaotan’ny dahalo mpandroba amin’ny lalana mankany Ihosy. Mirefy 38 km ireo lalana tena ratsy, izay hamboarina hatao godirao.
Ankoatra ireo, nambaran’ny kolonely Randrianirina Michaël, fa « hatomboka tsy ho ela ny fanamboarana ny Lapan’ny tanàna ao Betroka mba hitovy amin’ireo kaominina hafa. Vonona izahay hanampy raha mbola ity tapany atsimo ity, satria natao faritra hadino nandritra ny taona maro ».
Nomarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ihany koa fa hivaha tsy ho ela ny olan’ny famatsiana rano fisotro madio any Betroka. Misy ny tetikasa PAAEP, vatsian’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola, tanterahin’ny minisiteran’ny Rano.
Taolagnaro-Vangaindrano
Mitotaly 394 km ny lalam-pirenena RN13. Efa vita ny ampahany avy any Taolagnaro hatrany Ambovombe, mirefy 114 km. Efa vita ihany koa ny ampahany amin’ny lalam-pirenena RN12A, eo Taolagnaro hatreo Ebakika, mirefy 45 km. Ho tokanana anio 12 sy rahampitso 13 jona ireo fotodrafitrasa roa ireo. Efa eo am-panomanana ny antontan-taratasy hanamboarana ny lalana eo Ebakika hatrany Somisika, mirefy 120 km. Efa vita koa ny lalana Somisika hatrany Masianaka, mirefy 35 km. Vinavinaina ho vita amin’ny taona 2027 ny asa rehetra mipaka any Vaingaindrano.
Njaka Andriantefiarinesy




