Fizahantany : Azo tratrarina ny vahiny 600 000 isan-taona

Nosokafana omaly 11 jona, eny amin’ny CCI Ivato, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM) andiany faha-12, sy ho an’ny asa tanana IHM, andiany fahatelo. Lohahevitra noraisina ny hoe: Ny harena maha olombelona, fototry ny dia mankaty Madagasikara ». Haharitra hatramin’ny alahady 14 jona 2026 ity fotoan-dehibe ity. Nasongadin’ny Filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisy nasionaly misahana ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM), Ramatoa Rasanjison Mirana, fa « efa fantatra hatry ny ela ny zava-misy sy ny olana. Aoka isika tsy hionona amin’izany intsony, fa aleo ny asa mitondra vahaolana no tanterahina. Efa fantatra hatry ny ela ny haratsian-dalana, ny tsy fandriampahalemana, ny halafosan’ny saram-piaramanidina. Azo tratrarina tsara ny mpitsidika 600 000 isan-taona, raha nanodidina ny 300 000 hatramin’izay ».
Ratsy ny lalana nankany atsimo, sady tsy mandry ny tany. Efa voavaha izany olana izany izao, mandeha ny fanamboaran-dalana mankany atsimo (RN7), ny miankandrefana (RN4), ny miatsinanana (RN2), ny mianavaratra (RN6), sns. Tsy vitan’ny sehatra na ny minisiteran’ny Fizahantany irery izany fa efa Tetikasam-pirenena ny fampiroboroboana ny fizahantany.

Njaka A.

Partager sur: