Laboratoara eny amin’ny Ladoany : Nanome fitaovam-pitiliana siantifika i Chine

Naneho ny fanohanany ny Fadintseranana Malagasy, omaly, ny firenena sinoa. Na­nolotra fitaovam-pitiliana siantifika maromaro, hampitaovana ny laboratoara ao anatin’ny Foibe akademian’ny Ladoany malagasy any Toamasina izy ireo. Nilaza ny tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy (DGD), Randrianjafy Antoine, fa zava-dehibe miavaka ity nataon’ny firenena sinoa ity, satria, hanampy sy hanatsara ny asan’ny Ladoany malagasy. Hanafaingana sy hanamora ny asa atao, ka tsy voatery hiantehitra amin’ny fanadihadiana siantifika any ivelany intsony. Hamantarana bebe kokoa ny mombamomba ny entana miditra na mivoaka eto amintsika, indrindra ny avy any ivelany, izany. Hampihe­na ny entana hosoka sy ny kolikoly ihany koa.
Nilaza i Huo Wei, mpanolotsaina ara-toekarena ao amin’ny masoivohon’i Chine eto Madagasikara, fa “tafiditra ao anatin’ity fiaraha-miasa ity ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpiasan’ny La­doany malagasy”. Ilaina ny fampiasana ny teknolojia niomerika ara-tsiantifika. Nomari­hiny koa fa tsy mandoa hetra ny entana avy aty amin’ny firenena afrikanina ary anisany i Madagasikara.

Hisy fitaovana hafa
Fitaovam-pitiliana avo lenta ireo natolotry ny firenena sinoa ireo. Nahitana ny «imagerie», mahita an-tsary ny ka­razana entana, milaza ny singa siantifika ao anatiny, sns. Nomarihin’ ny DG ny La­doany, Randrian­jafy Antoine, fa santionany ihany ireo fitaovana ireo fa mbola hisy ny fampitaovana hafa ho avy hanohanana ny laboratoaran’ny Fadintserana­na malagasy.

Njaka A.

Partager sur: