Hiavaka ny « Zarasehatra » hotanterahina anio tolakandro, etsy amin’ny efitrano malalaky ny Trano fiantohana Aro Antsahavola. Ankoatra ny fihirana, hampahafantatra ireo tantara niforonany sy ny lalana nodiavin’ny hira tsirairay ny tarika R’Imbosa. Hifanindran-dalana amin’izany ny tantaran’ireo mpamoron-kira. Anisan’izany i Justin Rainizanabololona, Samuel Rahamefy, Justin Rajoro, Naka Rabemanantsoa, Naly Rakotofiringa, sns. Iray amin’ireo mampiavaka ny tarika R’Imbosa, rahateo, ny famelomana indray ny sanganasan’ireny andrarezin’ny kalon’Imerina ireny, na ilay ngadona « 5/7 ». Mamelona ireo hira tranainy teatraly sy ireo « gala de chants » fa amin’ny ngadona bagasy. Fantatra fa hisy hatrany ny sehatra malalaka ho an’ny rehetra mandritra ity « Zarasehatra » ity. Tsy misy vidim-pidirana ny fanatrehana sy ny fandraisana anjara.
HaRy Razafindrakoto




